Nanao bemidina teny Anosibe ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5), omaly, noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’iny faritra iny. Nahitam-bokany izany satria enin-dahy indray tratra niaraka tamin’ny fonosan-drongony marobe 335. Voarohirohy ho nitazona sy nivarotra zava-mahadomelina, araka izany, ry zalahy ireto. Naharay angom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ireo olona mivarotra rongony eny amin’iny faritra Anosibe Tsena iny. Maro ireo olona mitaraina amin’ny hafitsoky ny tsy fandriampahalemana miseholany eny an-toerana satria mifoka zava-mahadomelina ireo jiolahy mialoha ny hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao fikarohana ka lehilahy iray voasambotra teo am-pivarotana rongony. Niainga avy amin’ny fanadihadiana azy no nahafahana nisambotra ireo mpiray tsikombakomba aminy. Teo amin’ny manodidina an’Anosibe teo ihany no tratra ireto namany ireto. Noraisim-potsiny tany amin’izy ireo, araka izany, ireo fonosan-drongony marobe ireo. Nentina nanaovana famotorana ao amin’ny biraon’ny polisy ao Mahamasina ry zalahy.
J.C