Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, distrikan’i Port Berger, faritra Sofia, ny alahady teo. Renim-pianakaviana iray ity hita faty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ity. Raha ny fahitana ny razana, notetitetehin’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny vatany sy ny lohany. Tsy hita intsony kosa ny masony roa. Renim-pianakaviana mpivarotra trondro, monina ao Ambohimalaza ity hita faty ity. Avy nivarotra trondromaina tao an-tsenan’i Manerinerina izy, ny sabotsy teo. Lany avokoa ny entana rehetra namidiny ka lasa nody izy. Nihosin-dra ny fandriany ka heverina ho teo no namonoana azy. Mbola hita teo akaikin’ny razana ny famaky nikapakapana azy. Lasan’ireo mpanafika koa ny vola vidina trondromaina niaraka tamin’ ny finday. Voalazan’ny fampitam-baovao fa tsy nisy nahita ireo olona teo amin’ny manodidina tamin’ny fotoana nidirany tao an-trano. Izy efa nihosin-dra ny alahady maraina kosa vao samy taitra ny mpiara-monina aminy. Mipetra-drery izy ka ahina ho antony nahatonga ireo mpamono nahavita namono nahafaty sy nandroba ny vola niaraka tamin’ny entana azo nobataina tao an-tranony. Efa tonga teo amin’ny toerana nahitana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera nanao fitsirihana ny razana. Hatreto aloha tsy mbola nisy ny olona voasambotra na ahiahina amin’izao raharaha izao.
J.C