Notolorana ny taratasy fanendrena azy ho kandidà depiote an’ny vovonana Firaisankina ireo 12 amin’ny distrika 18 mandrafitra ny faritra telo, ao anatin’ny faritanin’ i Toamasina. Natao tao amin’ny Magro Tanambao, tamin’ny sabotsy ny fampahafantarana azy ireo. “Tsy manana zo tsy ho lany ianareo”, hoy ny filoha mpiara-mitantana, Ravalomanana Marc, tamin’ny lahateniny.
Nahitana solontena ireo lehiben’antoko niatrika izany: ny avy amin’ny HVM sy ny ProSiteny ary ny Tim miaraka amin’ny Tsara Tahafina. Ho an’ny faritra Atsinanana, ao Toamasina I, ny loholona teo aloha. Toamasina faharoa, i Tovorazana Odilon Baonasy. Ny any Vatomandry, i Talata Michel, efa lehiben’ny faritra Atsinanana fony fitondrana HVM. Tanambao Manampotsy, i Harimahomby Ndalana Esperant. Depiote IRD teo aloha izy io. Ho an’ny faritra Analanjirofo, ao Fenoarivo Atsinanana, i Mohamed Ahmad, depiote IRD, nanohana ny ProSiteny. Ny any Vavatenina, ny Me Razafimanantsoa Jean Christophe. Niverina hofidina koa ny Me Tody Arnaud ho an’ny any Soanierana Ivongo. IRD teo aloha ny tenany. Ho an’ny disitrikan’ i Mananara Avaratra, i Zakahely Boniface, efa solombavambahoaka fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka. Ho an’ny faritra Alaotra Mangoro: Ambatondrazaka sy Amparafaravola dia Razarapiera Fidèle sy Rabekijana Solohery. Samy depiote amperinasa. Ny ao Moramanga, Andriamalala Harimanana Randriamamonjisoa.
Sajo sy Synèse R.