Anisan’ny hetsika tafiditra anatin’ny velirano fahatelo napetrak’Andriamatoa Rajoelina Andry, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly. Tonga nitarika ny fankalazana ny faha 20 taonan’izany hetsika izany, i Mahatante Paubert, minisitry ny Jono sy ny Toe-karena manga (MPEB),teny Ampandrinomby, omaly. Toga nanatrika izany koa ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika eto amintsika, ary ireo tompon’ andraikitra isan-tsokajiny, eny anivon’ny ministera.
Izao dia natao hiadiana ny kolikoly misy eto amintsika, ary mitondra ny lohahevitra hoe « Isika miaraka mandresy ny kolikoly ».
Tsiahivina fa, mbola hisy ny fampahafatarana arahina fanentanana maro mahakasika ny kolikoly sy ny ady hiadiana amin’izany, izay tarihin’ny eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly mandritra ity fankalazana ity.
Fitia
(Mpianatra Asa)