Banky iraisam-pirenena: Nahomby ny tetikasa « Casef »

Avy amin’ny tetikasa « Casef » ny 70% ny fizarana karatany any amin’ny kaominina. Notohanany koa ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana.

Nampahafantarina ny 22 marsa teo ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, mahakasika ny Tetikasa hampiakarana ny vokatry ny fambolena sy ny fiarovana ny fananantany (Casef) eto Madagasikara. Mamatsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT).
Tapitra amin’ity taona 2024 ity ny “Casef” ary nahomby ny asa natao, amin’ny ankapobeny. Anisan’ny lalam-pihariana notohanana ny letisia, ny kanela, ny katsaka, ny soja ary ny ronono.
Tena nifantohan’ny tetikasa ny fananantany, nizarana karatany. Mitotaly 1 390 000 ny taratasin-tany, titra, hozaraina any amin’ny faritra 14, hatramin’ny faran’ny jona 2024. Miisa 438 ny biraon’ny fananantany any amin’ny kaominina notohanana. Manana ny anjara toerana ity tetikasa ity, satria tao anatin’ny “Casef” ny karatany 7 amin’ny 10 voazara teto Madaga­sikara, izany hoe, ny 70%. Araka ny tatitra, nihoatra noho ny vinavina io vokatra azo io. Satria 60 isan-taona monja ny karatany voazara tany amin’ny kaominina talohan’ny ‘Casef’, nefa tafakatra 1 000 izany, ankehitriny.

Fiompiana omby, osy, ondry…

Anisan’ny notohanana koa ny lalam-pihariana hena mena any atsimon’i Madagasikara. Toy ny fanavaozana ny foibe fampa­nanahana artifisialy any Taolagnaro, ny fametrahana fitaovana ahazoana tsiranoka azota, ny fanafarana ombivavy, ondry, osy avy any avaratry ny Nosy. Nohamafisina ny fahasalaman’ny biby ka nananganana laboratoara sy fanofanana ny teknisiana. Nohatsa­raina koa ny sakafom-biby ka nampiasana ny masomboly vilon’omby « Juncao ». Teo koa ny fampiasana ny kavin’omby, nentina hamantarana ny mombamomba azy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: