Tetikasa « Seeed »: Hanohana ny tontolon’ny fandraharahana

Manofana mpandraharaha ho an’ny asa mendrika eto Madagasikara ny tetikasa « Seeed ». Ankehitriny, miisa 85 ireo rafitra naneho ny fahavononany ka laharam-pahamehana ireo miantsehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ireo manohana ny mpandraharaha vehivavy sy manana faha­sembanana. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Antanimena, ny tetikasa « Seeed », fandaharanasa Incuboost, ahitana ny ONG People Power Inclusion (PPI) sy ny Centre d’excellence en entrepreneuriat (Ceentre). Mamatsy vola ny tetikasa ny Vondrona Eoropeanina. « 20 tamin’ireo rafitra nametraka ny antotan-taratasy no hisitraka ny tohana teknika sy ara-bola avy amin’ny tetikasa, izay hitsinjara amina dingana telo samihafa », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny PPI, Audrey Neguy. Mifototra amin’ny fitantanana ny rafitra ny tohana ara-teknika, ho fampiofanana an’ireo mpiasa sy ny fampitaovana azy. Ao anatin’izany ny fanafamafisana ny fahaiza-manao, ny fampifandraisana ny rafitra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto an-toerana sy any ivelany ary ny fampiroboroboana ny tolotra ataon’ny mpandraharaha.

Fepetra

Nisy ny sivana nisafidianana ireo mpandray anjara ny tetikasa. Fifantenana voalohany ny fiseharana amin’ny fanampiana ny mpandraharaha. Ankoatra izay, “mila ara-dalàna na andalam-pikirakirana ireo antontan-taratasy maha ara-dalàna azy ny rafitra iray”, hoy kosa ny tomponandraikitry ny tetikasa “Seeed”, Ramamonjisoa Niavo. Araka izany, hisitraka tohana ara-teknika sy ara-bola mandritra ny telo taona ireo mahafeno ny fepetra takina amin’ny tetikasa.

Henintsoa H.

Partager sur: