Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fampitomboana ny sidina avy any ivelany tonga eto Madagasikara. Ny alahady teo, nigadona tao Nosy-Be, nitondra mpizahatany 80 isa niainga tao Johannesburg, ny kaompania ana habakabaka Airlink. Ny taona 2023 no nampahafantatra ny zotra vaovao hataony ny kaompania. Noho izany, hanao sidina indroa isan-kerinandro, ny alarobia sy ny alahady, any an-toerana, ny kaompania. “Hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany ny fahatongavan’ity kaompania ity ka hanampy isa ireo sidina iraisam-pirenena tonga ao an-toerana”, hoy ny fanazavan’ny mpandraharaha iray ao an-toerana. Mahasarika mpizahatany sy ireo kaompania ana habakabaka samihafa ny Nosy manitra. Hanao sidina inefatra isan-kerinandro miainga avy any Milan hihazo an’i Nosy-Be ihany koa ny NEOS. Ankoatra izay, nilaza ny hanao sidina inefatra isan-kerinandro ihany koa ny Ethiopian Airlines. Tombony ho an’ireo mpiantsehatra samihafa eo amin’ny fizahantany ny fahamaroan’ireo sidina iraisam-pirenena tonga ao amin’ity Nosy manitra ity. Tsiahivina fa mitotaly 22 333 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny roa volana voalohan’ny taona 2024. Izany hoe, 11 250 ireo mpizahatany tonga nandritra ny volana janoary, raha toa ka 11 083 izany ny volana febroary teo.
Henintsoa H.