Hotokanana, anio, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny EPP Ivato, izay fanitarana sy fanatsarana. Anisan’izany ny efitranon-tsekoly iray, trano famakiam-boky ary fandokoana ireo efitra manontolo. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana ny asa. Hanatsarana ny tontolon’ny fianaran’ireo kilonga no anton’ny fanavaozana.
Herinandro Masina amin’ity herinandro ity. Maro ireo tokantrano mamonjy fanompoam-pivavahana amin’ny hariva. Mila mailo sy mitandrina ihany anefa amin’ny tsy fandriampahalemana na eny an-dalana na ho an’ny trano ilaozana. Fotoana fanararaotan’ny tontakely koa ity herinandro ity.
Nisy firehetana ny trano “bâtiment PM2 – Caserne Gendarmerie EP1 Mahazoarivo” ny zoma lasa teo, Tokantrano 19 no tsy manan-kialofana, ahitana olona 70 eo ho eo. Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina ny BNGRC, taorian’ny fijerena ifotony ny fahavoazana, izay ahitana vary, menaka, voamaina sy kojakojan-dakozia, lamba….
Fankalazana ny 29 marsa, “Fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana”. Fahasalamana manakaiky vahoaka no hanamarihana ity hetsika ity. Anisan’izany ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona ao Moramanga. Nanomboka omaly hatramin’ny 6 avrily ny hetsika ary hitohy indray mandeha isam-bolana