Ankerabe – Maintirano: lavon’ny dahalo ny G2C Ramilave

Maty voatifitry ny dahalo tao amin’ny fokontany Ankerabe, kaominina ambanivohitr’i Bemokotra, distrika Maintirano, omaly maraina, ny zandary kilasy faharoa (G2C) Ramilava.  Avy ao amin’ny andiany faha-74 izy. 

Efa ho iray volana latsaka izay, nisy trangana fanafihana notarihin’ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe Fido, tao an-toerana. Olona iray voatifitra ka lasan’ireo mpanafika ny basiny nandritra io fanafihana io. Omaly tamin’ny 4 ora sy 30 mn maraina, voahodidin’ireo zandary misahana ny poste fixe Bemokotra ny trano iafenan’i Fido. Nivoha tampoka anefa ny varavarana ka vehivavy tompon-trano no nivoaka. Niomana ny hivoaka avy tao aorianany koa i Fido ka nahatsikaritra ny fisian’ireo zandary. Nitifitra avy ao an-trano ity dahalo gagilahy ity sady nivoaka nandositra ka nahavoa ny G2C Ramilave.

Namaly tifitra ireo zandary roa lahy ka latsaka ny basy teny am-pelatanan’io dahalo io saingy mbola afa-nandositra ihany izy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay zandary naratra saingy teo am-pahatongavana ny tanànan’i Bemokotra, tamin’ny 8 ora sy 30 mn, tsy avotra intsony ny ainy. Nanamafy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria fa ilay basy an’ilay voatafika io nampiasain’i Fido nitifirany ny G2C Ramilave io. Efa azon’ny zandary io basy io amin’izao fotoana izao. Nomarihin’ny eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Melaky fa tsy maintsy ho voasambotra i Fido sy ireo namany tompon’antoka tamin’ny nahafaty ity zandary am-perinasa ity.

Marihina fa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana  koa ny zandary iray naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Amborompotsy Ambatofinandrahana, ny herinandro lasa teo. Zandary iray hafa namoy ny ainy koa nandritra io fifandonana io.

J.C

Partager sur: