Notanana vonjimaika am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ilay lehilahy nanolana ankizivavy 14 taona tao amin’ny fokontany Ampaisokely, kaominina Miarinarivo, afakomaly. Nanamparany ny filan-dratsiny io zazavavy tsy ampy taona io, tamin’ny 11 marsa lasa teo. Mpitaiza ilay zaza no asan-drangahy. Nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ity farany rehefa tsy tao an-tokantrano ny vadiny. Simba tanteraka ilay lasibatra. Nitoroka teny anivon’ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana izy ireo. Nosamborina avy hatrany ilay lehilahy. Niaiky heloka izy. Manaraka fitsaboana noho ny herisetra nianjady taminy ilay zazavavy.
Tsiferana R.