RN2: mpanampy mpamily maty voahosin’ny kamiao

Lehilahy iray 24 taona no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao Analamiorika, kaominina Antsampanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Maty teo amoron-dalana ny fiara iray mpitatitra entana. Tampoka, nifandona ireo kamiao lehibe ka nifatratra ivelan’ny arabe ny iray. Voadona tamin’io fotoana io ny mpanampy ny mpamily kamiao iray ka maty tsy tra-drano.  « Fandehanana mafy sy tsy fitandremana no  nitarika ny loza », hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Antsampanana.

Mafy ny fifandonana teo amin’ny kamiao roa ka antony nampivarina ny iray ivelan’ny arabe. Tapaka tanteraka vokatr’io loza io ny lalam-pirenena faharoa, nanomboka tamin’ny alatsinainy misasakalina hatramin’ny marain’ny talata 26 marsa tamin’ny 6 ora. Nandamina ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: