Eny amin’ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec) eny amin’ny vaomieran’ny fifidianana, eny amin’ny distrika, no fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny anivon’ny Ceni, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. Manomboka anio amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 8 avrily amin’ny 5 ora hariva ny fanaterana izany.
Raha eken’ny Ovec izany, mahazo ny taratasy fanamarinana ny fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ny kandidà. 72 ora aorian’ny nametrahana izany no hamoahann’ny Ovec ny fanapahan-keviny.
Omena ny taratasy fanamarinana ny fandraketana izay nekena ny firotsahan-kofidiny, ary omena fandavana ny firotsahan-kofidina izay tsy mahafeno fepetra. Raha lavina ny firotsahan-kofidin’ny kandidà iray, afa-mitaraina eny amin’ny Ceni izy ao anatin’ny 48 ora. 24 ora aorian’ izay kosa no hamoahan’ny Ceni ny fanapahana, na manaiky na tsia. Raha tsy afapo amin’ny fanapahan’ny Ceni ny kandidà, mahazo mampiakatra ny raharaha any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). 48 ora no ahazoany manao fitarainana any amin’ny HCC, izay manana 24 ora hamaliana ny fitarainana aorian’ny nametrahana azy ka hamoahany ny didy. Mandra-pahatonga ny 15 avrily izay dingana sy fomba rehetra izay. Ny 16 avrily no hamoahan’ny Ceni foibe ny lisitra ofisialin’ny kandidà rehetra isaky ny distrika manerana an’i Madagasikara.
R. Nd.




