Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana. Nanolotra dabilio vita tanteraka amin’ny fako plastika voahodina ho an’ny EPP Ivato Village, omaly, ny Orinasa Andao Company.
Tanjona ny hanova ny fako plastika ho fanaka an-tsekoly lovain-jafy sy hanohanana ny fanabeazana ny ankizy. “Mateza sy maharitra hatrany amin’ ny 10 taona ireto dabilio vita amin’ny fako plastika ireto raha oharina amin’ireo dabilio hazo”, hoy ny tale jeneralin’ny Andao Company, Raminosaona Zina. Manabe ny ankizy hahay hikajy ny tontolo iainana sy hampianatra azy ny fanodinana fako plastika ho akora azo ampiasaina sy ho loharanon-karena ny tetikasa. Hahavita dabilio enina eo ny fako plastika 200 kg raha mila 21 kilao amin’izany ny fanamboarana dabilio iray. Tanjona, araka izany, ny hamokarana dabilio avy amin’ny fako indroa isam-bolana, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Niara-nientana tamin’ity fanavaozana ny EPP Village Ivato ity ny Ravinala Airports, miaraka amin’ny orinasa Andao sy ny vondrona Sofitrans. Mihoatra ny 1 300kg ny fako plastika voaangona sy voaodina, nahafahana nisoroka ny famoahanana 3 510kg ana CO2 eny amin’ny rivotra. Ity farany izay nahafahana nitahiry tavoahangy amin’ireo
1,5 litatra miisa 37 143 tsy hiparitaka eny rehetra eny. Fanambin’ny tetikasa sy ny Orinasa Andao Company ny hanatsara ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fotodrafitrasa ho an’ny mpianatra sy ho fanomezana asa ho an’ny tanora.
Henintsoa H.