Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao Analankinina akaikin’ny CHU Morafeno, ny alarobia maraina tamin’ny 1 ora sy 50 mn. Tao anatin’ny orambe mikija sy mivatravatra no nitrangan’izany saingy tsy nahasakana ny fijoalajoalan’ny afo. Vokany, lasa lavenona ny entana mitentina an-tapitrisany maro. Trano fivarotana roa lehibe feno entana no sady manao fifanakalozana vola amin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana ity levon’ny afo ity satria afaka misokatra sy mamonjy izay mitady vola amin’ny alina. Kioska fito kosa ireo nirehitra niaraka tamin’ireo trano lehibe ireo. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny niharam-boina, vokatry ny fifampikasohan’ny tariby mitondra herinaratra niainga tao amin’ny trano fivarotana lehibe voalohany no nitarika ny firehetana ka niafara hatrany amin’ny tafon-trano. Olana ny fahataran’ireo fiarabe an’ny mpamonjy voina, nanamafy izany rahateo ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny Kly Charles Desire. ” Tsy nisy solika ny fiaranay dia mbola nitady solika izahay”, hoy izy. Fotoana ahitana haintrano matetika izao, tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tampoka ny fiavian’ny loza. Marihina, avotry ny mpamonjy voina ny haintrano tao Analakely, afakomaly alina. Tranombarotra iray ihany no lasibatra.
Sajo/J.C