Rajoelina Andry: zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny AGOA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, ny alakamisy teo, ny fihaonana sy fivoriana notarihin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo mpikambana vitsy avy eo anivon’ny governemanta, sy ny delegasiona mpikambana ao amin’ny «Commite on Ways and Meams». CWM miisa 8 notarihin’i Jason Smith, avy ao amin’ny Kongresy Amerikanina no niatrika izany. Ny mahakasika ny AGOA no resaka nivoitra, nandritra ny fivoriana. Anton-dian’ireo delegasiona ireo ny hanombana ny zava-tsoa sy ny tombony entin’ny AGOA ho an’i Madagasikara.
Mitety ireo firenena aty Afrika miisa dimy, misitraka ny AGOA ireto delegasiona ireto. Iny fihaonana niarahana ta­min’ny filoham-pirenena iny no namaranany ny dian’izy ireo teto Madagasikara. Tsiahivina fa efa nihaona tamina parlemantera sy tomponandraikitrana orinasa ma­nondrana entana any Etazo­nia amin’ny alalan’ny AGOA. Vondrom-barotra izay fehe­zin’ny lalàna nivoaka ny taona 2000, ahafahan’ireo firenena mahafeno ny fepetra aty amin’ ny faritra atsimon’i Afrika, manondrana vokatra tsy misy haba mankany amin’ny tsena Amerikanina. Anisan’ireo firenena dimy manondrana entana betsaka indrindra any Etazonia i Madagasikara. “Izany fahaiza-manao sy fahavitrihana izany no entina mandresy lahatra an’i Etazonia amin’ny fisitrahan’ i Madaga­sikara ny AGOA”, hoy ny Filoha. Teny am-piandohan’ny fivoriana dia naroson’ny fitondrana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Varotra sy ny indostria, ny maha zava-dehibe ny AGOA ho an’i Madagasikara. Lamba sy akanjo no tena haondran’ i Madagasikara amin’izany.

Lin

Partager sur: