Ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona nataon’ireo razambe no fototry ny fampandrosoana. Noho izany, raisina ny faneva hameloma-maso ny hambompom-pirenena
“Tsy ekentsika horabirabiana, hohitsakitsahina, atao tsinontsinona ny tolona rehetra natao teto amin’ity firenena ity. Satria nisy aina nafoy teto, nisy fikasana handroso ho amin’ny soa kokoa eto. Zavatra sarobidy loatra ny fitiavan-tanindrazana”. Io ny hafatry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Avaratr’ Ambohitsaina, omaly, nanolorana faneva ho an’ny taninketsan’ny fitiavan-tanindrazana sambany natao ho fanamarihana ny 29 marsa 47, taorian’ny fametrahana fehezam-boninkazo. Zava-dehibe ny fitiavan-tanindrazana, fanilo mila ampitaina amin’ny taranaka. Tsy azo kosehina ny tolom-panafahana, tsy azo hadinoina fa maro ireo tia tanindrazana lavo noho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitakiana ny Fahaleovantena. Izay indrindra no nanaovana ny teny filamatry ny fankalazana ny 29 marsa 2024: “Ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana”.
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona nataon’ireo razambe no fototry ny fampandrosoana tiana hapetraka eto Madagasikara. Noho izany, zava-dehibe ny aina nafoy sy ny ra latsaka noho izay fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo razambe izay. Dia hatolotra an’ireo tanora ny fanevan’ ny fitiavan-tanindrazana ho mariky ny fanamafisana sy fanomezana hasina ny ady sy ny tolona natao teto amin’ny firenena. Noho izany, raisina ny faneva hamelo-maso ny hambompom-pirenena ary mba tsy ho afaka ao am-po ny fitiavan-tanindrazana.
Nitondra izay hafatry ny filoha Rajoelina izay koa ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Monja Lala Delphin, tamin’ny hetsika tany Moramanga.
R. Nd.




