“Hampandeferina ny raharaha politika, fa tokony hatao ny fandefasana an’ireo fitaovana sy ireo fanampiana enti-manavotra an’ireo havana any amin’ny faritra avaratra”. Io no hafatra maika nampitain’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Marie Fabien, afakomaly, manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gamane tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, nitondra ora-mikija ka nampiakatra ny rano. Manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina amin’izany, misesy ny antso azon’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka avy amin’ireo eveka namany any avaratra manoloana ny zava-misy any an-toerana.
Araka izany, mampita hafatra faran’izay maika amin’ireo mpitondra isan-tsokajiny, amin’ireo ambaratongam-pahefana momba ny vonjy aina, ny eveken’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Marie Fabien: manao antso avo mba hijery faran’izay maika amin’ny zava-mitranga any amin’ny faritra avaratra, ka ho tena famonjena tokoa ity Paka ity.
Tsy tokony havela ho safotry ny rano ny fitiavan’ Andriamanitra.
R. Nd.




