Fifidianana depiote : hanambara ireo ho kandidàny ny Irmar

Ho fantatra tsy ho ela ny anaran’ireo ho kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Efa namaramparana ny fifantenana ny vovonana.

Tsy ho ela intsony. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray fa tsy ho dila amin’ity herinandro ity ny hampahafantaran’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) ireo kandidà ho solombavambahoaka atolotr’izy ireo. Tokony hotanterahina anio eny amin’ny Arena Ivandry izany raha tsy misy ny fiovana. Efa namaramparana ny fifantenana niainga avy amin’ny masontsivana hentitra avokoa izy ireo ary izao hiroso tsy ho ela amin’ny fanambarana izao. Efa tapitra ny 27 marsa teo, fotoana fisokafan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidina ny 10 andro nambara fa hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo kandidà avy amin’ny Irmar.

Na izany aza, voalaza fa tsy tafiditra ao anatin’izay ho kandidà solombavambahoaka ireo lehiben’antoko na mpitarika politika eo anivon’ny vovonana Irmar na teo aza ny fisokafana nataon’ny TGV/Mapar, araka ny loharanom-baovao. Tsiahivina fa an-jatony mahery ireo antoko sy fikambanana eo anivon’ity vovonana ity.
Tanjona amin’izany fampivondronan-kery izany ny hahazoana ny maro anisa eo anivon’ny Antenimieram­pire­nena ka hahamarin-toerana ny Filoham-pirenena. “Mila fitoniana sy filaminana ny Filoha hanatanterahina ny vinan’asany sy ny fampandroana ny firenena”, hoy hatrany ny loharanom-baovao voaray.

Synèse R.

Partager sur: