Hatsaran’ny tolotra: nahazo ny ISO 9001 ny CT Motors

Manome ny tolotra tsara mahafa-po ny mpanjifa ny orinasa CT Motors. Noho ny fanajany ny fenitra ambony izany, azon’ity orinasa misehatra amin’ny fivarotana fiarakodia, moto, sy ny vokatra isan-tsokajiny ity, ny mari-pahalalana iraisam-pirenena ISO 9001.
Hampitombo ny fitsinjovana ny filan’ny mpanjifa ny fahazoana ity mari-pahalalana ity. Hanamafisana ny fahatokisan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny fahafahana manome vokatra sy tolotra tsara. Endrika hampahalalana ny mpanjifa fa manaja ny fenitra ambony indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny CT Motors. Manamafy ny lanjany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy eto an-toerana koa izany.
Ezaka an-taona maro no nataon’ny orinasa vao nahazo ny mari-pamantarana ISO 9001 izy ireo. Nilaza ny filoha tale jeneralin’ny CT Motors, Hasnein Tahora, fa « vavolombelona ny fanatrarana ny fahamendrehana, ny kalitao tsara ary ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ny fahazoana ny ISO 9001. Resy lahatra izahay fa hanosika anay ho any amin’ny fahombiazana sy ny fitomboana hatrany izao ezaka vita izao ».

Njaka A.

Partager sur: