HCDDED: mampihatra ny politikam-pitsitsiana

Hahena ny isan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Filan­kevitra ambony ho an’ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), araka ny fampitam-baovao iray eo anivon’ ity rafi-panjakana ity. “Tafiditra amin’ny politikam-pitsitsiana ny fampihenana ny isan’ireo mpiasa. Anisan’izany ireo mpanolotsaina teknika sy ny misahana ny iraka, “Conseillers technique sy Chargés de mission) eto anivon’ity rafi-panjakana ity”, hoy ny loharanom-baovao iray. Nivoitra tamin’izany fa efa endriky ny birao tarihin’ny filohany, Ranadialison Angelo, ny nampihenana ny mpiara-miasa ho amin’ny fitsitsiana. Efa maherin’ny 20 ny isan’ireo mpiara- miasa ka navesatra teo amin’ny lafiny fitantanana ny vola izany. Teo koa ireo fitaleavana tsy misy afa tsy olona roa na telo ka heverin’ny birao vaovao fa havadika ho sampanasa fotsiny ihany izany.
Anisan’ny tapaka tamin’ny fivorian’izy ireo, tamin’ny herinandro teo, izany. Fihaonana faharoa taorian’ny fifidianana ny mpitantana ny birao. Nodinihina tamin’izany koa ny famaritana ny fandaharanasan’izy ireo ho an’ity taona 2024 ity.

Synèse R.

Partager sur: