“Andeha isika hiaraka hiaro ny safidintsika mba tsy hisian’ny hosoka amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy (FMI-Ma) mpikamban’ny vondrona Kôlektifa an’ny Malagasy, Ratsietison Jean-Jacques, momba ny fiatrehana ny fifidianana depiote. Raha mbola adalain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny tena: iza no hanasazy ny olona manao hosoka? Efa vita ny fifidianana, efa voafidy ilay olona: izay ny HCC vao hilaza hoe voasazy ny olona, inona no dikany? “Mahagaga ny fihetsiky ny filohan’ny HCC: raha nilaza izy fa hanasazy ny hosoka, naninona no tsy nanasazy ny hosoka tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika?”, hoy izy. Nefa nisy hosoka hitany tamin’izany. Mahagaga ny tsy nanadihadian’ny HCC an’izany. Maninona no tsy niteny ny HCC? Anisan’ny antony hamerenana fifidianana izany. Manala tena fotsiny ny HCC milaza hoe tsy manaiky raha misy hosoka amin’ity fifidianana ity. Nefa tsy nanao ny asany izy tamin’ny fifidianana farany teo. Noho izany, manentana ny olona hifidy izy. Ny azon’ny tsirairay atao: mandeha mifidy dia miaro ny safidiny, mirotsaka an-tsitrapo mandeha manampy ny kandidà. Tsy voavidy vola ny tena amin’izay. Rehefa mivoaka ny anaran’ny kandidà, hatonina ary homen-tanana. Entanina koa ny olona manodidina ny tena. Anjaran’ny tsirairay izany fa tsy miandry ny hafa. Tomponandraikitra ny rehetra. Tsy ny fimenomenomana intsony izao no ilaina fa ny fandraisana andraikitra.
R. Nd.




