Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny hoavin’ny kianjaben’i Mahamasina. Hanao fitsirihana sy hanadihady mahakasika io fotodrafitrasa io mantsy ny iraka manokan’ny Kaonfederasiona Afrikanina (Caf). Hamantarana izay tokony hohavaozina sy hamboarina izy ireo.
Ho tonga rahampitso alakamisy, eto Madagasikara, i Josua Andries Hoebeb, iraka manokan’ny Kaonfederasiona Afrikanin’ny baolina kitra (Caf). Anton-diany eto ny hijery ifotony ny kianjaben’i Mahamasina. Mila fankatoavana avy amin’ity rafitra mifehy ny baolina kitra afrikanina ity mantsy io kianja io vao azo andraisana lalao iraisam-pirenena indray. Efa tapitra taorian’ny lalaon’ny Nosy ny maha ara-dalàna izany. Raha tsiahivina, mila havaozina isaky ny 2 taona ny fankatoavana vao afaka mampiantrano fihaonana karakarain’ny Caf na ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny kianja iray.
Maro ireo zavatra hojereny mandritra izao fandalovany izao. Eo aloha ny bozaka izay efa nampitaraina an’i Rayan, kapitenin’ny Barea de Madagascar. Ireo efitrano fisoloana akanjo, ny an’ny mpitsara, ny an’ny mpitsabo, ny jiro manazava ny kianja, ny trano fivoahana sy ny vavahady fidirana. Ny lehibe indrindra dia ny antoka amin’ny fandriampahalemana mialoha, mandritra ary aorian’ny lalao.
Raha ny tsiliantsofina, takin’ny CAF ny hanampiana ny vavahady fidirana ho an’ny mpijery ao amin’io kianjabe io. Hateloana ny faharetan’ny dian’ity iraka manokan’ny Caf ity eto Madagasikara. Hitondra ny tatitra any Egypta, i Josua Andries Hoebeb ka aorian’izay no hiandrasana ny fankatoavana.
Tsiahivina fa handray ny Coelacanthes de Comores sy ny Aigles de Mali eo Mahamasina ny Barea de Madagascar, ny volana jona ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”.
Tompondaka