Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, izay tohanan’ny fandraharanasa CLIM-INVEST sy ny Vondrona Eoropeanina. Nisy, araka izany, ny dinika niarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina niresahana ny sehatry ny lohamenaka. Nivoitra nandritra izay ny drafitrasa nanaovana laharam-pahamehana ity lalam-pihariana ity. Voalaza ao anatin’izay ny fanatsarana sy ny fandrindrana ny seha-pihariana, ny varotra sy ny hetra ary ny fampidirana eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna an’ireo mpiantsehatra tsy mbola ao anatin’izany. Natsangana ihany koa ny komity hanara-maso ny fampiharana ny drafitra natsangana izay arahana fivoriana isaky ny telo volana.
Mifanindry an-dalàna amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana « huiles essentielles » ao Matsiatra Ambony ny dinika natao ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ao an-toerana sy ny fampivoarana ny seha-pihariana. Marihina fa faritra isan’ny mpamokatra “huiles essentielles” betsaka indrindra manerana ny Nosy ny ao an-toerana. Maro, araka izany, ireo misehatra amin’ny fandraharahana eo amin’ny fambolena (agribusiness). Tsiahivina fa, maherin’ny 75 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondranana ireto vokatra ireto, ny taona 2022.
Henintsoa H.




