Noraisim-potsiny ! Saron’ny zandary teo Ampanotokana RN4, afakomaly, ny taksiborosy iray nitondra rongony natao colis. Nanatontosa fisavana entana ireo zandary tamin’io fotoana io ka tratra tao ambany seza ity fonosan’entana mampiahiahy ity. Niroso tamin’ny fisavana ny entana ireo zandary ka voamarina nandritra izany fa rongony tsara fono milanja 33 kg izany. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando fa entana niainga avy any Antsohihy, faritra Sofia ity entana ity. Misy mpandray kosa anefa izany rehefa tonga eto Antananarivo. Nametraka ny paikady rehetra ny zandary mba hahafahana misambotra io olona voalaza fa tompon’entana io. Noraisim-potsiny teo amin’ny toby fiantsonana Gare Maki Andohatapenaka ny lehilahy iray tompon’ny entana. Notanana ambalan-tsazy ilay taksiborosy raha hatolotra ny fitsarana kosa izy telo lahy voarohirohy aorian’ny famotorana ataon’ny zandary. Nanamafy hatrany ny zandary fa helohin’ny lalàna ny fambolena sy ny fitaterana ary ny fivarotana zava-mahadomelina.
J.C




