Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina ny olona nitondra omby tsy nisy taratasy ny alin’ny 28 marsa 2024, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Fiaraha-miasa teo amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina no nahazoana izao vokatra izao. Nilaza ireo andrimasom-pokonolona fa misy olona mitondra omby mihazakazaka mihani-bohitra ao Ampotaka, fokontany Andriantsiazo, kaominina ambanivohitra Anosibe Trimoloharano, distrika Andramasina. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary ka voamarina tokoa izany. Napetraka ny vela-pandrika sy ny fanakanana ireo kizo mety handalovan’ireo dahalo mitondra omby, tao Andasibetavy. Tratra tao amin’ny fokontany Andriantsiazo ilay omby vositra raha tafaporitsaka kosa ireo dahalo nitondra azy. Tratra ihany ireo dahalo roa lahy atidoha nikotrika ny halatra. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy roa lahy ireto mialoha ny hanaterana azy eny amin’ny fampanoavana. Manoloana ity raharaha ity, niditra an-tsehatra nanery ireo zandary nanao ny asany ny ben’ny Tanànan’i Nosibe Trimoloharano teo aloha. Milaza ho mbola to teny amin’ny mponina sy ireo mpiasam-panjakana rehetra eo anivon’ny kaominina izy. Nilaza azy ho mahafantatra olona ambony aty an-drenivohitra ihany koa.
J.C