Tsy nahasakana ny olona tsy hanao fety ny fisian’ny rotsakorana nandritra ny alatsinain’ny Paka, tao Toamasina. Tonga maro teny amoron-dranomasina ny olona. Na teo aza anefa izay fahabetsahan’ny olona izay, tsy nisy kosa ny loza an-dranomasina fa nilamina amin’ny ankapobeny ny fiatrehana ny fety. Amin’ny maha fety ny andro, niakatra raha mitaha tamin’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao, ireo olona tsy maintsy nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny Hopitalibe Analankininina. Ho an’ny tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe, nahatratra 127 ireo nandalo fizaham-pahasalamana nandritra ny telo andro nisian’ny fety. Ny 83 amin’ireo kosa tsy maintsy nahiditra hopitaly noho ny fahasarotan’ny aretina nahazo azy ireo. Ho an’ny tranga samihafa indray, laharana voalohany hatrany ny ratra vokatry ny ady sy ny tsatoka antsy satria nahatratra valo izany. Manaraka izany, ny fanapoizinana ara-tsakafo sy ny lozam-pifamoivoizana izay nahitana tranga telo. Roa kosa ireo ratra vokatry ny fianjerana teny an-dalana. Tao ny nazeran’ny posy sy latsaka tany anaty tatatra tsy misarona. Olona iray nikasa hamono tena. Teo koa ny tsy fahatsiarovan-tena vokatry ny hamamoana diso tafahoatra. Tsy nisy kosa ny olona namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly.
Sajo