Hitohy ny sabotsy 6 avrily izao ny fifaninanana “Inter-Lycée », « All Step”, taranja basikety, karakarain’ny ligin’Analamanga. Anisan’ny hifanandrina ny LMA sy ny La Pie, ny Christ Roi sy ny LJF, Lycée Andohalo sy Sainte Famille ary ny Akamasoa sy ny SFX.
Hotanterahina ny 1 hatramin’ny 5 mey izao, ny “shoot out 3×3”, tapany faharoa, taranja basikety. Any Antsirabe no hanaovana ity fifaninanana ity ka ny ligin’i Vakinankaratra no handray ny fikarakarana miaraka amin’ny federasiona malagasin’ny basikety.
Anatin’ny fiomananana tanteraka amin’ny
fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Parkour, ny solontena malagasy efatra mianadahy,
ahitana vavitokana, Andrianavalona Patty. Fifaninanana hatao ny 10 hatramin’ny 12 mey izao, any Frantsa.
Tonga nitsidika ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, ny teo anivon’ny Fihezama (Fitaizana Hery Zatovo Malagasy). Vonona hanohana azy ireo ny MJS, izay nisoloan-dRakotozafy Rosa, Tale jeneralin’ny fanatanjahantena, tena.