Nitsangana ny vondron’ireo rantsamangaika samihafa misehatra amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana. Nisy ny fivoriana niompana tamin’izany teny Ampahibe, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Delphin, omaly. Ity vondrona ity, eo ambany fiahian’ny MFA, ahitana ireo andrimpanjakana sy ireo departemanta eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny ary ny mpivarotra basy (Neron). Toromarika nomen’ny MFA ny hamitana haingana ny fanovana ny lalàna mifehy ny basy, novolavolaina ny taona 2018. Mbola tsy vita hatramin’ny farany ny fandrafetana io lalàna io ka araka ny torohevitra nomen’ny MFA, tokony haneho fitoviam-pijery sy hiray hina ireto vondrona ireto amin’ny fanatanterahana izany. Misy ireo ambana maro mandindona izao tontolo izao. Mihazakazaka manaraka izany koa ny fivoaran’ny fitaovam-piadiana ka izany indrindra no antony tokony handinihina ny olana sy hanaovana jery todika amin’ireo efa vita sy ny tokony hatsaraina. Nojerena manokana ny rindrandamina hiadiana amin’ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy eto Madagasikara. Tafiditra amin’izany ny basy mahery vaika fampiasan’ny mpitandro filaminana sy ireo manam-pahefana hafa ary ny ampiasain’ny olon-tsotra.
Jean Claude