Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo mpiasa tompon’antoka tamina halatra tao amina orinasa afakaba iray eny Tanjombato. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, nitrangana halatra tao amina orinasa iray teny an-toerana. Nahaverezana kofehy fanamboarana akanjo tao amin’io orinasa io. Milanja 596 kg, mitentim-bidy 175 tapitrisa Ar ireo kofehy lasan’ny mpangalatra. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa fa tsy misy eto Madagasikara ireo kofehy ireo fa hafarana avy any ivelany.
Voalazan’ny tompon’ny orinasa, tamin’ny fotoana nahavery ny kofehy, fa tsy maintsy handalo fampiatoana ara-teknika ny orinasa raha tsy hita ny entana very. Nanokatra fanadihadiana ny zandarin’Andoharanofotsy ka nahitam-bokany izany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpiasa ao amin’ny orinasa ihany no nanatanteraka ny halatra. Nahitana ny mpiambina, mpikajy ny entana, mpikirakira ny lafiny teknika amin’ ny caméra de surveillance, mpamily. Nararaotin’ izy ireo ny andro iray tsy niasana nanatanterahana ny halatra. Nampiditra ireo mpangalatra tao amin’ny orinasa ny mpiambina. Ilay mpikajy entana kosa nitondra ny fanalahidy namoahana ny entana halatra. Nanampy tamin’ny fitaomana ny kofehy koa izy.
Ny mpamily indray nitatitra ny entana halatra nankany amin’ny mpandray izany. Ny mpikirakira ny lafiny teknika no nanapaka ny jiro tsy ahafahan’ny camera de surveillance mirakitra ny sary.
J.C