Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanenjehana jiolahy nataon’ny polisin’ny Fip tao Toamasina, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina. Nifanehatra tamin’ny kaomandin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, sy ireo namany ny jiolahy gagilahy amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana tamin’io fotoana io. Efa namerimberina rahateo ny kaomandin’ny Fip fa tsy hitsitsy manoloana ny asan-jiolahy. Vokany, jiolahy iray mpampihorohoro ny mponina ao amin’ny fokontany Andranomadio sy Cité Valpinson hatrany Andranomadio no nifanehatra tamin’ny polisy. Nandritra ny fidinana nataon’izy ireo teny Lalampasika tamin’io maraina io no nahatrarana ity jiolahy ity teo am-pamakiana trano. Nitsoaka avy hatrany raha vantany vao nahatsikaritra ireo polisy izy. Nitifitra ny polisy na efa niezaka nampijanona azy ihany aza ka maty tsy tra-drano izy. Nanamafy ny polisy, araka ny tatitra voarain’ izy ireo, fa am-polony maro isan’andro ny olona mitaraina ho vaky trano ao Toamasina. Anisan’izany ny magazay lehibe iray ao Morafeno. Mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy amin’ireo jiolahy ahina ho mpiray tsikombakomba amin’ity jiolahy voatifitra ity.
Sajo/J.C