Any amin’ny sehatra fitadiavam-bola sy ny tontolon’ny asa indray no manao ny ataony ny mpisoloky. Tafakatra hatrany amin’ny 15 % ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara.
Mahazo vahana ny fisolokiana amin’ny fanomezana asa, ankehitriny. Tafakatra eo anelanelan’ny 3 hatrany amin’ny 15 % ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara, arakaraka ny faritra. Araka ny tatitry ny ivontoerana misahana ny antontanisa na ny Instat ny volana marsa lasa teo izany. Nanomboka ny taona 2024, maherin’ny fito mianadahy ireo mpisoloky naiditra am-ponja. Anisan’izany ilay lehilahy nisandoka sady nanao fanaminan’ny Tafika sy ny roa vavy namany saron’ny zandary tetsy Ambohimalaza, ny 14 marsa teo. Nisandoka ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny minisitera koa izy ireo. Ankoatra io, roa lahy hafa nalefa ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, ny 1 marsa teo. Nisoloky vola an-tapitrisany tao Toamasina izy ireo. Manefa sazy eny Antanimora koa, ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fandesafana SMS tra-tehaky ny polisy teny Ankasina, ny 16 janoary teo. Marihina, misandrahaka amin’ ny sehatra maro samihafa ny fisolokiana ataon’ireo olon-dratsy. Fandefasana olona hiasa any ivelany, ny fikirakirana vato sarobidy hosoka hatramin’ny fisandohana andraikitra.
Volabe
Roa lahy mpisoloky, milaza ho mpisehatra amin’ny fanoratana « campagne de saisie » izay asa mifandray amin’ny orinasa any ivelany no voasambotra tao Mahajanga, ny zoma lasa teo. Teny Andohatapenaka no nanombohan’izy roa lahy nisoloky. Olona iray lasibatra ka nahazoany vola nitetina 3 tapitrisa Ar. Nifanena tampoka tamin’ny mpisoloky azy ireo tany Mahajanga ilay lasibatra. Nasain’ireo mpisoloky nanefa vola ana hetsiny hatrany anefa ity mpisoloky. Nitoroka teny amin’ny manam-pahefana ity farany. Nanao ny fikarohana ny mpitandro filaminana. Vokany, sarona ireo roa lahy. Nahitana solosaina maromaro tao amin’izy ireo. Tambazan’ ireo roa lahy karama manodidina ny 5 960 000 Ar ireo olona. Tafalatsaka amin’ny fisolokiana ataon’izy ireo, araka izany, ireo olona izay maika hiasa sy hahazo vola vetivety.
Tsiferana R.