Medd: Fitaovana ho an’ny VOI

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony, ny minisitry ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine, ny 4-8 avrily teo. Notolorana fitaovana ny fikambanam-behivavy, miompy landibe sy mpanenona sady miaro ny ala tapia any amin’ny kaominina Ambohi­man­jaka, faritra Amo­ron’i Mania.
Notsidihiny koa ny toerana fanodinana lohamenaka ao amin’ny kaominina Androy, distrika Lalangina. Nizarana angovo mandeha amin’ny he­rin’ny masoandro handrahoana, fa tsy mampiasa kitay in­tsony, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Pnud sy ny Medd. Mi­isa 100 ny tokantrano ao ana­ty VOI, misitraka ity fotodrafitrasa ity, izay mahavita lohamenaka 4,5l/andro, raha toa ka 3l/andro fony nampiasa kitay. Zavamaniry oliva, geranium, veromanitra, ravintsara, romarin, tagète, dingadingana no ahodina ho lohamenaka. Nomena fitaovana fandavahana ho an’ny fambolen-kazo koa ny VOI.
Miisa 9 ny moto nozaraina tamin’ny mpiasan’ny fitantanam-paritra (Dredd) avy amin’ ny tetikasa “Tefiala”.

Njaka A.

Partager sur: