Hampitomboina ny isan’ny fiaramanidina hampiasain’ny Madagascar Airlines. Maika ny ilana azy ireo satria hiditra amin’ny vanim-potoana maha betsaka ny mpizahatany, manomboka ny volana jona ho avy izao. Tsiahivina fa roa sisa ny fiaramanidina eo am-pelantanan’ity orinasam–panjakana ity.
Mahatratra 14 250 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody hiadiana amin’ny andiam-balala. Voakasik’ izany ny distrika Toliara II, Sakaraha, Morombe any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ary ny distrika Manja, faritra Menabe. Hetsika an-tanety ny asa atao iarahan’ny Foibe miady amin’ny andiam-balala IFVM sy ny mpiara-miombon’antoka.
Miisa 140 ny tanàna hisitraka angovo azo havaozina. Tetikasa iarahan’ny vondrona Axian sy ny orinasa frantsay Sagemcom. Eo koa ny tetikasa Sunref, vatsian’ny AFD frantsay ara-bola. Fiaraha-miasa goavana mahakasika ny angovo, iarahana amin’ny frantsay koa ny tetikasa Ivolobe sy Sahofika.