Nisitraka fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy “Panneaux solaires” avy amin’ ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, ireo kaominina miisa 13 any amin’ny distrikan’Andapa. Notanterahina omaly, tany Sambava, ny fanolorana izany mba hahafahan’ireo ben’ny Tanàna mampiasa tanteraka ny drafitra fanajariana “Schéma d’aménagement communal – Sac”. Hitohy amin’ny fampiofanana manokana izany ahafahan’izy ireo manantanteraka ny asa. Niaraha-niasa tamin’ny tetikasa “Projet d’agriculture durable par une approche paysagère – Padap”.
Anisan’ny fitaovana fanajariana sy fampiasana ny tany momba ny fanapahan-kevitra sy programan’asa rehetra ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny Sac. Ahitana ny sarintany mandrakitra ny asa rehetra atao eo amin’ny kaominina izany. Eo koa ny laharam-pahamehana mila hajaina ary indrindra ny satan’ny fandraisan’andraikitra “Charte de responsabilité”. Nanaovan’ ny talem-paritra sonia izany ho marika fa hampiasa ny Sac izy ireo amin’ny fandaharanasa tanterahiny ho an’ny kaominina.
Synèse R.