Nandriaka ny ra teny By-Pass : mpitondra moto maty voahitsaky ny kamiaobe

Mampihoron-koditra ! Nitrangana lozam-piarakodia indray teny By-Pass, ny alarobia teo. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona nitondra moto no maty voahi­tsaky ny kamiaobe. Nandriaka tamin’ny arabe ny ra. Vaky ny lohany, nipotsaka ny tsinainy. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, nisongona fiara teo aloha ity raim-pianakaviana mpitondra moto ity, kanjo nodonin’ny fiara 4×4 iray. Nipitika avy eny ambony moto izy ka lasa tany ambany kamiaobe iray. Notetezin’ireo kodiarambe izy ka izao maty tsy tra-drano izao. Tsy nahafantatra na inona na inona ny mpamilin’ilay kamiaobe fa nanohy ny lalany ihany. «Tsy hitan’ilay mpamily hoe nanitsaka olona izy tamin’io fotoana io. Nenjehin’ny olona avy ao aoriana izy ka teny amin’ny domaine Alasora vao tratra», hoy ny fitantaran-dRanai­vo­son Richard, mpivarotra nahita maso ity loza ity. Nanazava ny mpamilin’ilay kamiaobe nanitsaka ilay niharam-boina fa tsy nahita ny fisian’io lehilahy voahitsaka tao ambany kamiao io izy.

Zazakely iray hafa koa voahitsaka…
Tsy nanana eritreritra ny hitsoaka izy, raha ny fanazavany manoloana ny polisy nanao famotorana savaranonando. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy rahateo teny aminy. Voalaza fa lasa nitsoaka koa ilay fiara 4×4 nandona azy. Tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny BMH naka ny razana. Vao ny talata teo koa anefa no nisy lehilahy iray nandeha moto koa maty voadona ny fiara teny By-Pass ihany. Zazakely iray koa maty voahitsaky ny kamiaobe iray teo am-pivoahana ny orinasa tao Tsivatrinikamo Antsirabe, omaly. Telo mianaka nandeha moto ity nifanehatra tamin’ny kamiaobe ity. Nianjera ilay moto ka nipitika tany ambany kamiao ilay zazalahy raha avotra soa aman-tsara kosa ny rainy sy ny zanany vavy iray. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny polisy.

J.C

Partager sur: