Ambatondrazaka : mihena ny trondro ao amin’ny farihin’Alaotra

Mihena isan-taona ny hazandrano vokatra ao Alao­tra. Teo aloha, namokatra trondro 6 000 t isan-taona ny farihy ao an-toerana. Anke­hitriny, 1 000 t isan-taona eo sisa ny vokatra azo. Manom­boka tototry ny atsanga ny farihy noho ny fahapotehan’ny ala manodidina. Antony faharoa mampihena ny vokatra ny tsy fanarahana ny lalàn’ny jono, toy ny tsy fanajana ny fotoana fikatonan’ny jono sy ny fampiasan’ireo mpanjono an’ireo harato kelimaso ireny. «Fanaon’ireo mpanjono ny mampiasa ireo harato kelimaso ireo ka tokony hajanona tanteraka izany», hoy ny fitarainan’ireo mponina ao an-toerana. Nohamafisiny fa mananosarotra ny fanjonoana eny amoron-drano noho ny rano efa miharitra.
Paikady
Na izany aza, maro ireo miezaka manarina ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana rahateo ny famerenana indray ny lazan’ny farihin’Alaotra sy ny hazandrano ao aminy. Nisy, araka izany, ny fandrotsahana zana-trondro besisika 5 000 isa tany an-toerana, ny talata teo. Manatody betsaka lavitra noho ny tilapia ny besisika, antony nanaovana ny hetsika. Marihina fa manodidina ny 20 000 ireo mpanjono mivelona amin’ny farihin’Alao­tra izay mivondrona anaty kaoperativa 110. Noentanina sy nampahafantarina azy ireo ny lamina apetraky ny minisiteran’ny Jono ho an’ny tombontsoan’ny rehetra.

Henintsoa Hani

Partager sur: