FANTINA sy FINTINA

Mety hiakatra ny vidin’ny lavanila eto Madagasikara noho ny fiakaran’ny vidin’ny cacao. Nanimba ny 50% ny vokatra tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, toy ny ao amin’ny faritra Sava.

Niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana any amin’ny tetezana Manakolagna (RN5A), nanomboka omaly 9 avrily. Dingana manaraka hatao ny fametrahana tetezamby any Maromokotra, PK 67. Manatanteraka ny asa fanarenana rehetra ny orinasa sinoa CRBC, nanao ity lalana RN5A ity.

Handray anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fitaterana (SITLM), hatao ny 11-14 avrily ho avy izao, eny amin’ny faritra Forello Tanjombato, ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Ho hita eny koa ireo rantsa-mangaika ao amin’ny minisi­tera, toy ny AR, ny FR, ny LNTPB, ny Ininfra, sns.

Manodidina ny 58 169 ha ny tanimbary potika tany avaratry ny Nosy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Mahatratra 5 768 kosa ny biby fiompy maty. Mbola tatitra vonjimaika ireto, mbola maro ireo faritra dibo-drano any an-toerana. Mahatratra 34 817 ha ny tanimbary simba ao Sava raha 14 120 ha ho an’i Diana.

Partager sur: