Tokony ho tamin’ny 1 ora sy 30 minitra teo amin’ny boulevard Augagneur, manoloana ny tobin’ny vondrotobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena sy biraon’ny fiarovana “Aro”. Mpamily Bajaj iray no nitondra mpianatra ao amin’ny sampam-piofanana teny Sinoa, barikadimy Toamasina, izay miisa enina mianandahy be izao no indray natsetsiny tao amin’ ilay Bajaj raha tokony ho efatra ny farany maro amin’ izany. Tsy izay ihany anefa, efa nandray zava-pisotro mahamamo noho ny fety avy nataon’ ireo mpianatra ireo ka naresaka be tao anatin’ ilay Bajaj, teo ihany koa ny fifampiresahana tamin’ ilay mpamily, raha ny fanadihadiana hatrany. Vokany, na efa nivoaka ny sampanan-dalana eo amin’ io faritra voalaza io aza ilay kamiao dia tsy nahatsikaritra an’ izany ilay mpamily ny Bajaj ka avy hatrany dia nitsoraka tao ambanin’ ilay remorka, tsy nisy ny aina nafoy fa saika naratra avokoa ireo enina mpandeha sy ilay mpamily izay fahafito tao anantin’ ilay Bajaj, ary efa samy nahazo fitsabana sahaza azy avy ao amin’ny hopitaly be Analankininina. Aminy akapobeny, raha izay fifamoivoizana an-tanàn-dehibe izay hatrany dia mikorotana tanteraka noho ny tsy fahafahan’ny tomponandraikitra mifehy azy ny Posy sy ny Bajaj eto an-drenivohitry Betsimisaraka.
Sajo