Naiditra am-ponja avokoa, miandry ny fitsarana azy, ireo 24 mianadahy voasambotry ny polisim-pirenena tao Maroantsetra, ny talata 9 avrily teo. Manoloana ny fironan’ny tanora amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ izany ao an-toerana, nanao fisafoana teny ifotony ny polisy. Tratra tamin’izany ny lehilahy iray malaza ratsy mivarotra rongony. Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny tanora 23 mianadahy. Vehivavy ny telo amin’izy ireo. Natao ny fisavana ny trano. Nahitana rongony milanja 2,65 kg tao amin’ilay mpivarotra. Mpifoaka avokoa ny ankamaroan’ireo voasambotra, raha toa ka mpivarotra ny telo. Nogiazana avokoa ireo rongony. Nentina natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena ao Maroantsetra izy ireo. Natolotra ny fampanoavana taorian’io ka voatana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.