Tsy mifidy intsony! Mirongatra ny halatra arahina vaky trano taorian’ny ranobe mangeniheny nentin’ilay rivodoza Gamane tao Toamasina. Lasibatry ny asan-jiolahy ny distrikan’i Toamasina II, amin’izao fotoana izao. Lasan’ireo mpangalatra hatramin’ny akoho amam-borona fa tsy mifidy hangalarina intsony ireo jiolahy. Sahirana tanteraka ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza sy ny fahasimban’ny vokatra sy ny fihariana. Mahatsiaro ho mitoka-monina tsy misy mpiahy ny vahoaka, manginy fotsiny ny asan-jiolahy ataon’ireo « bandes de 10 » mampihorohoro ny fokontany ao Toamasina II. Manao izay ho afany koa ireo polisy kaominaly amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana. Nahitam-bokany izany satria jiolahy iray tratra nangalatra vorona tao Ambalatenina, ny talata alina teo. Tratra teny aminy ny dokotra sy gana dimy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa amidiny ao Toamasina Renivohitra ireo vorona ireo. Noho ny tsy fisian’asa no antony mahatonga azy mangalatra toy izao kanefa izy mamelom-bady aman-janaka, araka ny fanazavany nandritra ny famotoran’ny polisy.
Sajo/J.C