Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay jiolahy tomponantoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny tao Maintirano, afakomaly. Nanao ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy tao Ampasimandroro, ny
9 avrily teo, ny polisy. Avotra ireo mpianaka nalain’ny jiolahy an-keriny saingy naolan’ireo tsy mataho-tody ny iray. Atolotra ny fampanoavana io jiolahy iray tratra io.
Jiolahy mpanakan-dalana maty voatifitry ny zandary tao Betanatanana, distrikan’i Maintirano, ny talata 9 avrily teo. Nangalatra finday io dahalo io sy ny namany ka nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Voamarin’ny fokonolona fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana nahafatesana renim-pianakaviana iray tao an-toerana, ny 20 oktobra 2023 lasa teo, izy io.
Moto iray nodomin’ny fiara avy aoriana tetsy Antanimena, omaly hariva. Nijanona niandry ny fahataperan’ireo olona niampita ilay moto. Voadonan’ilay fiara avy any aoriana ka nianjera tamin’ny tany. Tsy nisy aina nafoy.
Vehivavy iray namoy ny ainy nodarohan’ny mpanendaka tao Tanamalandy Mahajanga, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora. Narahin’ny olon-dratsy tamin’ny mangingina izy ka nanamparan’izy ireo ny asa ratsiny.