Norobain’ny jiolahy dimy, nitondra basy PA sy Kalachnikov, ny tranombarotra an’ny karana iray eny Andrefan’Ambohijanahary, omaly hariva. Notifirin-dry zalahy ny totohondry ny vavany. Lasa ny vola 25 tapitrisa Ar.
Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ny tranombarotra iray lehibe an’ny teratany Karana eny Andrefan’ Ambohijanahary, omaly hariva tamin’ny 5 ora sy 30 mn. Toeram-pivarotana kojakoja momba ny moto ity norobain’ny jiolahy nitondra basy ity. Araka ny fanazavan’ny mpiasa, jiolahy dimy samy tsy nisaron-tava, nitondra basy PA sy Kalachnikov no niditra an-keriny tao am-pivarotana, tamin’io fotoana io. Nambanan’ireo jiolahy ny basy ny mpiambina teo amin’ny varavarana fidirana ka torana avy hatrany. Nandritra izany kosa, niditra tao am-pivarotana ireo jiolahy ka nanambana basy ny karana tompon’ny fivarotana. « Notereny hamoaka ny vola ilay karana sady notifirin’ireo jiolahy ny totohondry ny vavany », hoy ny fanazavan’ny lehilahy iray mpiasan’ilay karana. Naratra teo amin’ny vavany, araka izany, ity teratany karana ity. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny vola 25 tapitrisa Ar tao am-pivarotana.
Tsy nanapoaka basy ireo jiolahy
Tao anatin’ny fotoana fohy avokoa no nanatanterahan’ireo jiolahy ity fanafihana ity. Samy tsy nanampo na inona na inona, na ireo mpiasa na ny tompon’ny tranombarotra, tamin’io fotoana io. Efa teo am-piomankomanana ny hanidy trano ireo mpiasa no tonga ireo jiolahy. Nihevitra izy ireo fa olona hanontany entana sy/na hividy entana ry zalahy ireto, hay olon-dratsy. Mbola tao anatin’
ny fotoana nahamaro ireo olona nifamezivezy ity fanafihana ity saingy tsy nisy nahatsikaritra izany ny rehetra. Tsy nanapoaka basy rahateo ry zalahy fa nandrahona fotsiny. Tsy afa-nanohatra anefa ireo niharan’ny fanafihana ka namoaka ny vola tao am-pivarotana. Tsy lavitra eo anefa ny misy ny tobin’ny zandary. Lasa nitsoaka nihazo ny lalana mankany Ankadimbahoaka ny lalan’ireo mpanafika. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanadihadiana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana ataon’ny polisy.
J.C