Zaza sendra nandalo voatoraky ny adala teny Ambohimanarina, omaly. Naratra mafy teo amin’ny lohany ilay zaza. Nentina namonjy ny CSBII ao an-toerana izy. Nofatoran’ny fokonolona ilay tsy salama saina.
Notanana vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fampanoavana ilay lehilahy namono nahafaty mpisolovava tao Nosy Be, afakomaly. Handeha hiantsena io mpisolovava io no noleran’ilay lehilahy antsy teo amin’ny kibony. Nentin’ny nanatri-maso namonjy hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy sabotsy 30 marsa teo.
Zaza tao an-kibon-dreniny namoy ny ainy rehefa voatsatoka antsy nataon’ny rainy tao Ambarijeby, distrikan’Analalava, ny 11 avrily teo. Tsy nifankahazo ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny ka notsatohan-drangahy antsy izy izay bevoka. Novonjena teny amin’ny hopitaly, avotra ny ain’ilay ramatoa saingy maty ilay zaza tao an-kibony.
Mpampianatra iray maty tsy tra-drano novonoin’ny vadiny tao Ambohimitsinjo, fokontany Ankevaheva, kaominina Andapa, ny alin’ny alarobia 10 hifoha ny alakamisy 11 avrily teo. Tapaka ny hatok’ilay ramatoa. Nihosin-dra ny vatany. Ny zanany no niantso vonjy tamin’ny mpitandro filaminana.