Tsy mijanona amin’ny fitakiam-bola fa mamono ny mpaka an-keriny ankehitriny. Misy ny mpanakarama azy ireo. Efa-mianaka matin’ny mpikarama an’ady tao anatin’ny herinandro.
Zava-doza ny afitsoky ny andian-jiolahy mahery vaika ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Betsiboka, Analamanga. Tsy mihanona amin’ny fakana olona an-keriny intsony izy ireo, ankehitriny. Tsy mionona amin’ny fakana vola amin’ny lasibatra. Mivadika ho mpikarama an’
ady ihany koa, ary misy ny mpanakarama.
Tranga iray, nampivarahontsana sy mampahonena vao nisy ny alakamisy teo ny nahitana ny fatina vehivavy mpianaka, tao anatin’ny alan’ Ambohitantely, Ankazobe. Olona nalaina an-keriny tao Anjozorobe izy ireo ka notazonina nandritra ny fotoana maharitra. Rehefa nandeha ny angom-baovao, hitan’ny zandary amin’ ny kaompanian’ Ankazobe ny toerana nieren’ireo olon-dratsy. Nisy ny hetsika manokana indroa miantoana nentina nandravana ilay andian-jiolahy. Miaramila roa an’ny tafika sy zandary no naratra. Nitsoaka ny jiolahy saingy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny takalonaina. Ny tovovavy iray, noloarana hatramin’ny voamasony, ilay renim-pianakaviana nokendaina.
Fifanarahana matotra
Tsy mpaka an-keriny tsotra fa mersenera no ilazana ireto ekipan-dry Leba sy Safidy “Mandeha ho azy”, tompon’antoka tamin’izao vono olona izao. Raha ny fantatra dia lonilonim-piarahamonina no fototry ny raharaha. Misy fianakaviana iray hanao famadihana dia tsy nahafaly ny fianakaviana hafa, mpiray tanana. Ireto farany no niantso mpikarama an’ady haka azy mianaka vehivavy noho ny fialonana. Izany hoe, mandray vola indroa miantoana ny dahalo: sady mahazo amin’ny mpanakarama no mahazo vola ho takalonaina.
Taorian’ny nahafaty azy mianaka dia mitohy ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Olona efatra izay atidoha nikotrika sy mpaniraka ny jiolahy no voasambotra.
Jean Claude