Disadisam-pianakaviana : vehivavy novonoina tovolahy iray

Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra vonjimaika any am-ponja ao amin’ny fonjan’Antsirabe ny tovolahy iray vao 22 taona, tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao Ibity. Na­hazo fampitam-baovao avy amin’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ibity ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Ibity fa misy olona hita faty ao Mandrava, fokontany Manan­jara, Ibity. Nidina ifotony ny zandary niaraka tamin’ny doko­tera nanao ny fizahana ka fantatra fa renim-pianakaviana iray 41 taona monina ao amin’io tanàna io ihany no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ny 27 janoary 2024 lasa teo. Nofatorana tady ny tendany sy ny tongony, nahitana kapoka sy notsatohana zava-maranitra ny lohany. Vaky tanteraka izany nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny zandary. Nafenin’ireo nahavanon-doza ny razana saingy nisy nahita ihany. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandary ka fantatra tamin’izany fa ity tovolahy ity no atidoha nikotrika izao vonoan’olona izao. Nitsoa-ponenana avy hatrany rehefa avy nahavita ny asa ratsiny izy. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny zandary fa disadisam-pianakaviana no nitarika izao famonoan’olona feno habibiana nataony izao. Fantatra fa tovolahy anisan’ny mpivavaka mafana fo sady anatin’ny antokom-pihira ma­vitrika ao amina fiangonana iray ity tovolahy nivadika ho jiolahy ity. Noraisim-potsiny, araka izany, izy sady niaiky ny heloka vitany. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha vonoan’olona ity.

J.C

Partager sur: