Nankalazaina ny sabotsy 16 avrily teo, tany Mahajanga, ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fako. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, niaraka tamin’ny olo-manankaja maro avy ao amin’ny faritra Boeny. Lohahevitra noraisina ny hoe « Andraikitry ny tsirairay ny fitantanana ny fakony ».
Nisy ny « Diaben’ny fanafoanana ny fako » namakivaky ny tanàna, niainga teo amin’ny Lapan’ny tanàna hatrany amin’ny sisin-dranomasina (bord).
Nosafidina manokana i Mahajanga noho izy voasokajy ho tanàna madio indrindra eto Madagasikara. Voataiza hadio koa ny mponina efa hatry ny fotoana maro. Nohamafisin’ny minisitra, Ravokatra Fidiniavo, ny fahaiza-mitantana ny fako. Nofintininy tao anaty fitsipika 5M ny lahateniny: Mandà, Mampihena, Mamerina mampiasa, Manodina ary Mamerina ho an’ny tany. Fitsipika tsotra nefa mahomby sady maharitra hampihenana ny fanimbana ny tontolo iainana. Nentaniny koa ny rehetra hanova ny fihetsika hisian’ny fahasalamana sady mampitombo ny harena.
Njaka A.