3P: hisy ny dinika iarahana

Mitohy hatrany ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem) tamin’ny Filoham-pirenena, ny zoma teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Teboka dimy mandrafitra ny ho avin’ny ny sehatra tsy miankina no noresahana tamin’izany. Voatonona manokana ny fahatomombanan’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina sy ny fampiharana mahomby ny fahaiza-mitantana amin’ny alalan’ny ady amin’ny kolikoly isan’ ambaratongany sy ny fampiharana ny sazy atao amin’ireo mpisoloky. Faharoa, ho an’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny fitaterana. Mangataka ny hanarenana maika ny lalam-pirenena faharoa (RN2) sy fahafito (RN7) ary lalam-pirenena fahefatra, RN4, ny Gem. Mangataka koa izy ireo ny hanavaozana ny sata mifehy ny tahirimbola ho an’ny lalana, hifanaraka amin’ny famatsiam-bola hampiasaina. Notsindrina ihany koa ny hanatsarana ireo fiaramanidina ampiasain’ny kaompania Madagascar Airlines ho an’ny sidina anatiny hatramin’ny volana mey. Antomotra rahateo ny vanim-potoana mahabetsaka ny fahatongavan’ny mpizahatany. Ho an’ny sehatry ny angovo, tokony hatomboka haingana ny tetikasa famokarana herinaratra Volobe II sy Sahofika. Mila mandray anjara amin’ny tetikasa fanarenana ny Jirama ny sehatra tsy miankina. Noho izany, mangataka ny hanitarana mandritra ny herintaona ny « Tarif optima business Industries » ny GEM. Mitaky ihany koa ny hametrahana lalàna mazava sy famokarana herinatra manokana ho azy.
Ho an’ny fampivoarana ny maha olona, mila tohanana ny famatsiam-bolan’ny Tahiry famatsiam-bola malagasy ho an’ny fampiofanana ny mpiasa (FMFP) noho izy nitondra vokatsoa ho an’ny mpiara-belona. Voaresaka nandritra ny fihaoanana tamin’ny Filoham-pirenena ihany koa ny mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy. Adidin’ny firenena ny fampiharana ny sata mifehy ny Conférence interafricaine de la prévoyance sociale (Cipres), amin’ny maha mpikambana feno azy sy ho fanamafisana ny fiarovana ny mpiasa malagasy.
Atao isaky ny roa volana, araka izany, ny dinika ifanaovan’ny roa tont

Henintsoa H.

Partager sur: