Tomombana avokoa ny fikarakarana ho an’ny hetsika “Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, (FEPA)” andiany faha-16, hatao ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnels de l’élévage (MPE) Nanisana. Ho hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andro ireo vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. Hisy ny fampirantiana ireo biby velona isan-karazany. Hisongadina ao anatin’izany ireo toeram-pivarotana sy mpikirakira ny sakafom-biby, ny fanafody ary ireo mpivarotra ny fitaovana izay ilaina amin’ny fiompiana. Hisy ihany koa ny adihevitra sy famelabelaran-kevitra samihafa, ny fampifandraisana mivantana ny mpamatsy sy ny mpamokatra. Singanina manokana ny torohevitra ara-teknika maro hanatsarana ny sehatry ny fiompiana. Noho izany, nisy ny fivoriambe niarahan’ireo mpikambana momba ny hetsika. Tanjona, araka izany, ny hitondra fampandrosoana sy ainga vao eo amin’ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara. Marihina fa hisy ny tombolà lehibe izay ahazoana “bon d’achat” mitentina 1 tapitrisa Ar.
Henintsoa H.