Hanomboka, afaka tapa-bolana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2024, taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy sénior. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” amin’ity ny XV Makis Ladies de Madagascar. Tsiahivina fa ny 4-12 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity no hatao eny Andohatapenaka.
Hotontosaina manomboka ny alahady 21 avrily ho avy izao ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto “Endurance Motul Sherco 2024”. Nilaza ny federasiona malagasin’ny taranja Moto (FMaM) fa hifarana ny sabotsy 20 avrily izao ny fisoratana anarana ho an’ireo hifaninana.
Araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tserasera, hatao any Luanda Angola ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”. Tsiahivina fa mbola miady ny tapakila hiatrehana izany i Madagasikara.
Ny taona 2023 lasa teo no nanao fanambarana i Dimitry Caloin fa tsy ho mpilalao matihanina intsony. Nianatra mpanazatra ny tenany ka nahazo ny diplaoma BEF. Mitaiza sy manazatra ireo ankizy sy tanora any amin’ny sokajy zandriny, nasionaly, ity Malagasy mpilalao ity amin’izao fotoana. Afaka manao mpanazatra klioba rejionaly ihany koa i Caloin.