Andoharanofotsy: lehilahy nikasa hangala-jaza voasambotra

Nilaza ho voakarana 300 000 Ar ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza. Nifanjehan’ny fokonolona tao Bongatsara izy ka tratra, afakomaly.

Nosamborin’ny fokonolona ny lehilahy iray nikasa hangala-jaza tao Ambodivoina, fokontany An­tsahabe, kaominina Bonga­tsara, afakomaly. Niara-nilalao tamin’ny namany ilay zazavavy. Nanatona azy io lehilahy io ka nanambitamby azy. Nanaiky hanara-dia io olon-tsy fantatra io ilay zaza raha toa ka nandositra ny zazalahy iray 5 taona niaraka taminy, tamin’ny 6 ora hariva. Tsikaritry ny manodi­dina anefa ny zava-nitranga. Nampandre avy hatrany ny ray aman-drenin’ny zaza lasibatra izy ireo. Niantso vonjy sy nitsoka kiririoka ireto farany. Raikitra ny fanenjehana ilay lehilahy. Voasambotry ny fokonolona io lehilahy saika hangalatra io. Nirahin’ny olona izy ary nilaza hokaramain’ireo na­niraka 300 000 Ar raha toa ka azony ilay zaza, araka ny fa­na­zavany tao anatin’ny horanam-peo azon’ny fokonolona. Nano­nana anaran’olona roa izy tamin’io fotoana io izay nolazainy fa mpaniraka azy. Nan­dritra ny fanamarinan’ny mpitandro filaminana ny zava-nisy teny an-toerana, voalaza fa nisy fofon’alkaola sady tao anatin’ ny hamamoana ilay lehilahy. Nohazonina atao andrimaso ity farany. Nalefa nozahana fa­hasalamana teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay zaza.

Tsiferana R.

Partager sur: